- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Nifanenjehana hatreny Andohatampenaka ireo jiolahy

Itaosy : Nifanenjehana hatreny Andohatampenaka ireo jiolahy

Nisesisesy tato ho ato izay, ny fanafihan-jiolahy teny amin’iny faritra Itaosy sy manodidina iny. Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo, no nisehoana fanafihana mitam-piadiana teny an-toerana, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Araka ny fantatra, jiolahy enina mirongo basy kalaky sy zava-maranitra no nanafika tokantrano iray teny an-toerana tamin’io fotoana io. Niditra amboletra tao an-trano izy ireo ary nanambana basy ireo tompon-trano sy nitaky vola. Lasa tamin’izany ny vola sivy alina ariary teo ho eo, niampy finday maromaro. Vantany vao vitany ny asa ratsiny dia nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy. Nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ireo voatafika. Tonga teny an-toerana ireo zandary, saingy efa dila ireo olon-dratsy. Ny ampitson’ny fanafihana no voalaza fa nihaodihaody teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana nataon’ireo mpitandro ny filaminana. Tonga hatreny Andohatapenaka izany fanenjehana izany raha ny fantatra hatrany. Kanefa nizara roa ireo jiolahy, ka nanano sarotra ny fisamborana. Na dia teo aza anefa ny fanenjehan’ireo mpitandro ny filaminana dia tafaporitsaka ihany izy ireo, nihazo ireo elakelan-trano teny an-toerana. Fantatra fa tsy nisy fifandonana mahery vaika tamin’izany, raha ny loharanom-baovao hatrany. Mbola mitohy ny fikarohana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser