- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Nitifitra ny tompon-trano, nitsoaka ny jiolahy

Itaosy : Nitifitra ny tompon-trano, nitsoaka ny jiolahy

Nipoaka indray ny basy tetsy Itaosy. Saingy mba nifamadika ny rasa, satria tsy jiolahy no nitifitra fa ny tompon-trano kosa. Nahomby izany, satria rifatra nitsoaka ireo olon-dratsy. Tetsy Bemasoandro-Itaosy no nitrangan’ity asan-jiolahy tsy tontosa ity, omaly manodidina ny tamin’ny roa ora maraina. Hitan’ny tompon-trano ny fahatongavan’ireo olon-dratsy. Navoakany ny basiny ary napoakany. Tsy nisy ny naratra na maty tamin’ity tranga ity. Raha araka ny fanazavana azo, misy efitrano fandraisana marary eo amin’ny tokontany ka ny fitaovana tao no heverina fa nokendren’ireo jiolahy. Nahitana balana kalachnikov 7.62 mm teo amin’ny manodidina ary hitan’ny mpitandro filaminana izay tonga teny ihany koa fa nisy diam-bala ny rindrina sy ny varavarana sasantsasany. Sao dia tokony mba hamoraina ny fanomezana basy ho an’ny sivily? Mipetraka hatrany ny fanontaniana ohatr’izany rehefa mitranga ny fiarovantena nahomby toa izao. Na dia ireny basy fanairana ireny fotsiny ihany aza dia efa mampitsoaka ny jiolahy, satria tsy ampoiziny velively ny hoe misy basy ao amin’ny trano hotafihana. Vitsy ihany izany tokantrano manana basy izany. Raha ho sahy hanafika ihany ireo olon-dratsy, rehefa mipoaka ny basy dia mba mihemotra kely aloha izy ireo ary ao anatin’izay fotoana izay dia mety efa ho tonga ny mpitandro filaminana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser