- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Noraisim-potsiny ilay gadra nandositra avy tany Manakara

Itaosy : Noraisim-potsiny ilay gadra nandositra avy tany Manakara

Rehefa nandositra ny fonja nitazonana azy tany Manakara ary niafina nandritra ny telo taona ny lehilahy iray antsoina hoe T. Anselme, dia tratran’ny polisy teny Itaosy tamin’ny alarobia teo. Vao nandositra izy io dia efa nanao « avis de recherche » ary nanaparitaka izany ny fitsarana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa tamin’ny 23 may izy no nandositra. Tokony ho nahavita ny saziny ny volana jolay 2014 ity lehilahy ity. Teo anoloan’izany fikarohana azy izany dia nahazo vaovao ny polisy, fa eny Itaosy ity olona ity. Nandeha teny ny polisy avy ao amin’ny sakelika fahatelo miady amin’ny heloka bevava avy etsy Anosy ny alarobia 24 febroary 2016 tokony ho tamin’ny 6ora havira. Tsy afaka nihetsika ilay lehilahy fa dia noraisim-potsiny teo.

Ny loharanom-boavoa hatrany no nahafantarana, fa halatra madinidinika no nahavoasazy an’ity lehilahy ity tany am-ponja. Tsy fantatra mazava kosa anefa ny antony nandosirany. Tsy vao izao koa anefa no nandrenesana gadra nandositra, fa efa imbetsaka mihitsy. Misy amin’izy ireny no mandeha mivoaka miasa any ivelany, dia tsy miverina intsony. Ankoatra izany, eo koa ireo voasazy higadra taona maro ary mitady làlana hahafahana mandositra. Ho an’ny mpanara-baovao, toa misy ihany koa ireo hampiasaina mihitsy hanao ny tsy fanao any ivelan’ny fonja any. Tsy vitsy ny vaovao efa notaterina teto mikasika izany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici