Omaly dia nosamborin’ny zandary ary tazonina eo anivon’ny borigadin’Itaosy i Jean Nirina Rafanomezantsoa. Nihetsika aretina rehefa notazonina tao amin’ny « violon » ary nentina teny amin’ny hopitaly, naverina tao amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ihany rehefa nahazo ny fitsaboana voalohany. « Notorian’ny karàna iray izay tsy nitonona anarana ny filohan’ny Hafari Malagasy. Izany dia noho ny resaka ady tany izay mahakasika ny kianja Anosizato sy ny zaridainan’Antaninarenina. Nolazaina, fa nitaky vola sy nandrahona mpiasa izy kanefa tsy nisy porofo momba izany akory » raha araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitry ny Hafari Malagasy. Izany rehetra izany, dia taorian’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ; izay nataon’ity filoham-pikambanana ity ary nilazany fa hametrahany ny fitoriany amin’ny andrim-panjakana sy ny ambaratongam-pahefana maro. Tsy niandry ela izany ny valin-kafatra fa roa andro taorian’izay ihany dia efa raikitra ny fisamborana. Ny asabotsy anefa dia tsy mbola nanam-po izay hanjo azy ity filohan’ny Hafari ity, satria mbola namonjy tsy nisy ahiahy lanonana sasany. Mampiahiahy ny Hafari Malagasy ity fisamborana ity, indrindra koa raha ady tany tetsy Anosizato ny olana kanefa zandary eny Itaosy no nisambotra. « Rehefa nanontanianay ny zandary ny momba ny anton’izany dia nilaza izy ireo, fa nanatontosa baiko » hoy ny fanamarihan’ny Hafari Malagasy. Hiakatra fampanoavana indray izany i Jean Nirina atsy ho atsy. Tsiahivina, fa vao tamin’ny herintaona izy no nahavita sazy an-tranomaizina dia izao efa misy manenjika izao sahady indray.
D.R