- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Notetezin’ny jiolahy ny “quincaillerie” sy “gargotte”

Itaosy : Notetezin’ny jiolahy ny “quincaillerie” sy “gargotte”

Olona iray naratra ary iray hafa saika natao takalon’aina. Izany no vokatry ny fanafihana nataon’ny jiolahy mitazona sabatra sy antsy tety Ambodiampanga-Itaosy. Ny alin’ny talata hifoha alarobia no nitontona tampoka izy ireo ary nanapitsoka ny varavarana. Rehefa tafiditra tao anatiny dia norahonana tamin’ireo zava-maranitra ny olona. Ny iray izay saika namaly dia voafiran’ny sabatra avy hatrany. Tsy vitan’izany fa mbola nampihorohoroana ihany koa fa halaina ho takalon’aina ny zaza iray raha toa ka mbola mitohy ny fanoherana. Vola izay maty indray andro tao amin’ireo toeram-pivarotana no lasan’ny jiolahy nandritra ny fanafihana. Nitaraina ireo olona voatafika satria raha mba niantso ny mpitandro ny filaminana izy ireo dia valin-teny an’avona no setriny. Asa raha be loatra ny olona mananihany miantso ny laharana maimaim-poana ka lasa raisin’ny mpitandro ny filaminana ho kapoka iray avokoa izay mila vonjy. Raha tsy izay no izy dia lasa hakamoana tsotra izao no mitranga.  

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici