Tsy fantatra intsony na dia inona loatra no tao an-tsain’ity lehilahy, manodidina ny 40 taona mahery any ho any, namono nahafaty ny rainy niteraka azy teny Itaosy. Raha ny filazan’ireo olona eny an-toerana, teny Ambavahaditokana, dia nanomboka tamin’ny 4 ora hariva teo, omaly, no nanomboka ny fifamaliana teo amin’ireto fianakaviana ireto. Niha-niakatra ihany ny feo, ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana izany. Araka ny fantatra hatrany dia ny renin’ity lehilahy, manambady aman-janaka ity no nananganany tanana voalohany. Nofelapelahiny, nodakany io reniny io, hoy hatrany ireo mpiray monina. Teo anatrehan’izany dia niezaka niaro ity vady andefimandriny ity ilay raim-pianakaviana, mananika ny 80 taona. Tany amin’ity rainy ity indray no niantefa ny hatezeran’ity lehilahy ity. Ny hery tsy mitovy, tsy nanana aina hanoherana firy intsony ity lahiantitra ka indro fa voataritarika teny an-tokotany. Nanamparan’ity tsy mataho-tody ity ny aina ny rainy, ary tsy afa-po tamin’izany izy fa mbola nototainy tamin’ny vato “mallon” ny lohan’ity lahiantitra. Nijininika ny rà. Maty tsy tra-drano vokatry ny ratra nahazo azy ity raim-pianakaviana osa. Ilay nahavanon-doza kosa raha nahita ity rainy miala aina eo ambany masony dia tsy nahetsika intsony, araka ny fitantaran’ireo manodidina hatrany. Niantsoana mpitandro filaminana avy hatrany ity lehilahy ity ary nosamborin’izy ireo. Nalefa any amin’ny hôpitaly natao fizahana kosa ilay namoy ny ainy. Nambaran’ireo manodidina fa ankevitry mamon-drongony ity lehilahy nahavanon-doza ity, matoa nahavita an’izao vono olona mahatsiravina izao.
m.L