
Izany no nitranga teny Ambohimarina-Itaosy ary efa tazomin’ny mpitandro ny filaminana mba hatao fanadihadiana ny nahavanon-doza. Niady izy mivady ary noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra teo amin’ilay rangahy dia vitany hatramin’ny nanindrona antsy ny vadiny. Io farany dia maty tsy tsa-drano teo ary izany rehetra izany dia teo imason’ny zanaka vavin’izy ireo izay vao fito taona monja no niseho. Rehefa vita izay dia narapak’ilay rangahy ny fanafody marobe izay tao an-tranony. Ny hiakiak’ilay zaza no nanaitra ny manodidina ka nijery akaiky ny zava-niseho. Inona tokoa fa zavatra nahatsiravina no hita teo. Olona efa mitsiatra ary milomano ao anaty rà. Ny faharoa kosa dia lehilahy efa manomboka tsy mahatsiaro tena sy nalemilemy vokatry ny fanafody narapany. Ny fahatelo farany dia zazakely izay nitomany tsy an-kijanona noho ny zavatra hitany. Teo ihany dia efa nazava ny zava-nitranga. Nentina teny amin’ny hopitaly ilay rangahy ary ilay ramatoa teny amin’ny tranom-paty. Ny zaza koa dia nalain’ny fiaraha-monina aloha mba hampanginana azy sy handaminana ny sainy. Vao velombelona ilay nahavanon-doza dia efa notazomina teo anivon’ny mpitandro ny filaminana ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Ny tsikaritra dia betsaka ny heloka bevava nitranga tato anatin’ny roa herinandro izay. Izany dia mifandraika amin’ny hasarotam-piaro avokoa ary ny lehilahy hatrany no matetika tompon’andraikitra amin’ny famonoana, fikasihan-tànana izay niafara tamin’ny fahafatesam-bady. Nisy ny nikasa ny hanafina izany tamin’izay fomba mba nandalo tao anatin’ny sainy ary nisy kosa ny avy hatrany dia nanapa-kevitry ny namono ny tenany. Ny hitovizany dia samy tsy nitsoaka aloha ny tompon’antoka sy ny voarohirohy tamin’izany. Raha ny marina izany dia mila fanaraha-mason’ny fokontany koa ny fiadiana amin’ny heloka bevava mifandraika amin’ny adin’ny mpivady. Tsy hoe akory hiditra amin’ny tokantranon’olona fa rehefa misy kosa ny fifamaliana sy fikasihan-tànana dia afaka miditra an-tsehatra amin’izay ny tompon’andraikitra ary izany dia mila fampahafantaran’ny mpiara-monina ny zava-niseho, ary ara-potoana.
D.R