- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Olona 13 nampidirina hôpitaly, nihinana sakafo nisy poizina

Itaosy : Olona 13 nampidirina hôpitaly, nihinana sakafo nisy poizina

Nandoa, nivalana, ary niafara tamin’ny fihinjitrinjirana. Fianakaviana iray manontolo no voatery nahiditra hôpitaly omaly vokatry ny fihinana sakafo nisy poizina teny amin’iny faritra Itaosy iny. Olona niisa 13 izy ireo raha ny totaliny ka ny enina amin’izany no ankizy. Raha ny vaovao teny amin’ny hôpitaly dia misy amin’ireto olona ireto no mbola tena voa mafy ka voatery arahi-maso tanteraka ny fahasalamany. Ny hafa kosa dia efa nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Araka ny fanazavàna azo dia fahapoizinana tamin’ny alalan’ny “salpêtre” no nahazo ireto olona ireto. Tsy misy fiantraikany eo ho eo mantsy ny fihinana tsy nahy ity akora ity, raha tsy fotoana maharitra aty aoriana. Dia ireo mihinjitrinjitra, mandoa sy mivalana ireo no fambara fa misy an’io poizina io ao anaty vatana. Azo eritreretina ho tafalatsaka tsy nahy tao anatin’ny sakafo nifampizaran’ireto fianakaviana ireto ity akora simika, poizina ho an’ny fahasalamana ity. Matetika tokoa mantsy dia tsy tandritandrin’ny olona ny fisian’ity akora ity ao an-tokantrano ao. Miendrika vovoka fotsifotsy eny amin’ny rindrina izy ity, ary mazàna dia ireo rindrina somary mando lava no tena misy azy. Mora mifangaro amin’ny sakafo izy io indrindra ny sira. Azo inoana araka izany fa mety niraraka tao anaty sira ity poizina ity. Sira izay nafangaro tamin’ny sakafo ary dia izao nitondra fianakaviana iray manontolo ho any amin’ny hôpitaly izao. Araka izany, tokony ahamailo hatrany ny fahitana zavatra tsy fantatra loatra ao an-trano, hialàna ny amin’ny zava-doza mety hitranga toa izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici