- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Olona nahatratrarana basy, saika niharan’ny hatezeram-bahoaka

Itaosy : Olona nahatratrarana basy, saika niharan’ny hatezeram-bahoaka

Fiainana efa mihamafy ve sa ny olona no efa leon’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana amin’izao fotoana izao, ka mitady hanampatra foana ny hatezerany amin’ireo olon-dratsy tratra am-bodiomby ? Toy izay nitranga teny Anosimasina Itaosy omaly tokony ho tamin’ny 10 ora antoandro teo. Lehilahy iray, nahitana basy tany am-balahany, asa na saika hanafika teny an-toerana, no efa saika nodoran’ny olona velona. Saingy nalaky voafehin’ny mpitandro ny filaminana ka tsy tonga tamin’izany ireo fokonolona nentin-katezerana. Araka ny fantatra,telo lahy izy no nihaodihaody teo akaikina toeram-pivarotana iray. Nitaingina môtô ny roalahy ary mandeha tongotra kosa ny iray, araka ny filazan’ireo mponina. Efa voamariky ny olona ny fihetsika hafahafa nataon’ireo telolahy ireto. Satria araka ny fampitam-baovao hatrany, dia tsy mitsahatra manara-maso izay olona mifamezivezy eo amin’ilay toeram-pivarotana ry zalahy. Nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ny olona ka nidina avy hatrany teny an-toerana ireo zandary, nanao fanamiana sivily. Indreo tokoa fa mbola teo ireo telolahy izay tena hafahafa fihetsika tokoa. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana sy ny fisamborana ireo mpitandro ny filaminana ka tratra tamin’izany ny iray tamin’izy ireo. Nahatratrarana basy poleta iray tany aminy. Vao nahitana izany ireo olona nitangorona dia velon-katezerana mafy ary avy hatrany, dia nidaroka sy namono ilay olona. Nanahy mantsy izy ireo fa sanatria ka nahatanteraka ny asa ratsiny ireto olon-dratsy ireto, mety ho betsaka indray ny naratra na namoy ny ainy. Efa maro rahateo ireo asan-jiolahy nisesisesy teny an-toerana ka naharomotra ny olona. Efa nisy sasany tamin’ireo fokonolona no nitondra bidao feno lasantsy, saika handorana velona an’ity lehilahy tratra ity. Soa ihany anefa fa nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana nifehy izay hatezeram-bahoaka izany, ka nalaky nilamina ny olona. Nentina avy hatrany ilay lehilahy tratra. Misokatra kosa ny fanadihadiana ary mitohy ny fikarohana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser