- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversItaosy : Olona telo namoy ny ainy vokatry ny afon-tsaribao

Itaosy : Olona telo namoy ny ainy vokatry ny afon-tsaribao

Araka  ny vaovao marim-pototra voaray, olona telo no namoy ny ainy tao antin’ity volana janoary fiatombohan’ny taona ity,vokatry ny fahasemporana ao anaty trano mihidy noho ny fampiasana afon-tsaribao.

Zava-doza tokoa mantsy ny ateraky ny gazy karbonika izay avoakan’ireny saribao fandrehitra ireny. Matetika dia vokatry ny tsy fahalalana na tsy firarahiana tsotra izao no mahatonga ny loza ,eny fa  na dia aty an-drenivohitra aza dia maro ireo izay tsy mivaky loha firy amin’izany. Efa miseho ny voina vao mikoropaka sy manao izay ho afaka amin’ny fitsaboana. Tranga mampalahelo no hita tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Vehivavy iray no fantatra fa namoy ny ainy. Raha vao niseho ny loza, nitangorona ny olona. Tamin’ny fotoana namoahana ilay trano no nahitana ny fatin’ilay mpanampy. Tonga ny fianakaviany avy eo. Tonga ihany koa ny tompon’ny tsena. Rehefa natao ny fizahana ny razana dia hita fa maty sempotra izy io. Andro vitsy taty aoriana, na dia efa nilamina aza ny raharaha, nisy andian’olona nanararaotra ny zavanisy ary saika hanao fitsaram-bahoaka. Toa voafehy ihany anefa izany rehefa tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser