- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Siramamy halatra 30 taonina sarona, olona sivy voasambotra

Itaosy : Siramamy halatra 30 taonina sarona, olona sivy voasambotra

Rava ireo tambajotra mpanodinkodina siramamy. Olona sivy no nosamborina, ary siramamy manodidina ny 30 taonina any ho any no saron’ny zandary avy amin’ny borigadin’Itaosy, ny alarobia teo. Araka ny fanazavàna azo avy amin’ny tompon’andraikitra, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo no nahazo vaovao ireo zandary ny amin’ny fisiana fiarabe telo mampiahiahy mampidina entana amin’ny gony maromaro. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana ireto, ka tamin’izany no nahatratrarana fiarabe iray. Mbola teo am-pibatana gonin-tsiramamy maromaro ireo olona teo. Nitaky ny taratasin’ireo entana avy hatrany ny zandary saingy tsy nanana ireo olona, ka voatery nentina tany amin’ny birao nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no fantatra fa halatra ireto siramamy izay milanja eo amin’ny valo taonina ireto, ary avy any Toamasina no niainga. Nanomboka teo ihany koa ny famotorana ireto olona voasambotra ka nanoroan’izy ireo ny namany, sy ny trano izay mbola nanatobin’izy ireo ireo gonin-tsiramamy hafa. Tamin’ny fisavàna izany dia mbola nahitàna siramamy amin’ny gony milanja eo amin’ny 19 taonina teo ho eo tao amin’izany. Nitohy hatrany Miarinarivo ny fanadihadiana, ka mbola nisy siramamy nilanja teo amin’ny valo taonina mahery hita tany. Tafakatra sivy no olona voarohirohy tamin’ity resaka fanodikodinana entana ity, izay tombanana any amina miliara mahery any ho any ny teti-bidiny. Ao anatin’ireo voasambotra ireto ny tena atidoha mpikotrika ity bizina maloto ity. Araka ny fantatra dia efa fanaon’ireto tambajotran-jiolahy ireto izao manodinkodina entana izao. Mbola misy anefa ireo naman’ireto olon-dratsy ireto karohina amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavàna azo hatrany. Raha tsy misy fiovàna kosa dia anio no atolotra ny Fampanoavana izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici