- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy-Talatamaty : Nirefodrefotra ny basy, olona iray voatifitra

Itaosy-Talatamaty : Nirefodrefotra ny basy, olona iray voatifitra

In’efatra nipoaka ny basy omaly hariva tokony ho tany amin’ny 6 ora sy sasany, teny Itaosy cité ary taitra avokoa ny mponina nahare izany. Rehefa nojerena akaiky dia fantatra fa nisy andian-jiolahy nandroba mpivarotra. Toa tsy nanaiky anefa ny tompon’ilay fivarotana ka dia voatifitra, hoy ny vaovao re avy teny an-toerana. Naratra vokatr’izany ity olona ity. Samy nisahotaka ny rehetra, satria tamin’ny fotoana nahafaty ny jiro vokatry ny « délestage » no niseho ity fandrobana ity. Fotoana fohy anefa dia tonga teny amin’ilay toerana ny polisy ka raikitra ny fifanenjehana teo amin’ireo jiolahy sy ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra aloha na nisy tratra ireo olon-dratsy na tsia, satria tena mbola teo am-panaovana ny asany ireo polisy.

Fa mbola omaly hariva ihany koa teny Talatamaty, nisy feom-basy henon’ny mponina. Izany koa dia tamin’ny fotoana tsy nisy jiro. Ny vaovao fantatra, dia nisy fikasana handroba ihany koa teny. Tsy hay na nahomby izany na tsia.

Manararaotra ny haizina vokatry ny tsy firehetan’ny jiro ny jiolahy amin’izao fotoana izao ka tena mihorohoro ny mponina amin’ny faritra maro. Ankoatra ny fandrobana fivarotana eo ihany koa ny endaka isan-karazany. Ireo olona avy miara- miasa hamonjy fodiana no tena lasibatra amin’izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici