- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Taxi-be nanitsaka moto

Itaosy : Taxi-be nanitsaka moto

Talanjona ny olon-drehetra izay nandalo raha nahita ity fiara fitaterana izay lasa tery amin’ny làlana ilany, mifanohitra amin’ny tokony hizorany. Mainka koa nanintona ny sain’ny olona ny fisian’ny moto scooter nianjera teo ampovoan’ny arabe. Ny alin’ny alakamisy teo no nitrangan’izany tetsy Itaosy, teo anoloana kelin’ny fivarotan-tsolika. Nisy ihany koa ny toeram-pivarotana izay saika nidiran-doza satria kely foana sisa dia saika notrongisin’ilay taxi-be koa. Raha ny fantatra dia nisy ny olona naratra, ilay nitaingina moto. Notazomina teny amin’ny zandary avy hatrany ny mpamily ilay fiara fitaterana. Hatramin’ny omaly izy mbola tao anaty “violon”, raha araka ny fanazavana azo. Mamo ve sa tapaka hisatra, sa noho ny tsy fitandremana fotsiny tsotr’izao? Isan’ny mbola nitazomana azy ny fitadiavana izany valim-panontaniana izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser