- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Telo vavy voaendaka, lasa ny karama iray volana

Itaosy : Telo vavy voaendaka, lasa ny karama iray volana

Efa akaiky ny trano fonenany no nisy nanakana izy telo vavy, jiolahy dimy lahy nitondra antsy lava sy bois rond no nanendaka. Tapitra nalain’ireo jiolahy avokoa ny teny an-tanana hatramin’ny peratra volamena sy finday, ny poketra nisy ny karama iray volana.

Tao Anosimasina Itaosy no nitrangan’ity fanendahana ity ny faraparan’ny herinandro lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Ankeviny efa narahin’ireo jiolahy izy telo vavy, avy niantsena tao amin’ny Horizon. Teo amina tohatra iray ankelakela-trano no nisy vehivavy mody nanembatsembana, nanaraka azy anefa  dimy lahy be vonona hanendaka. Avy hatrany dia novelesan’ ny jiolahy ny  hazo ny hatokan’ny  vavy iray, voahambana tamin’ny antsy lava kosa ny sasany. Nendahina avokoa rehefa azo nendahina tao anaty minitra fohy no nitrangan’izany.

Marihina fa vao nifindra vao haingana izy telo vavy ireto, tsy mbola mahalala tsara ny toerana, araky ny fanazavana teny amin’ny manodidina kosa anefa dia vao sambany no nisy nanendaka teo amin’io elakela-trano io.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici