Mponina ao amin’ny fokontany roa dia Antanety sy Ambodiamberivatry, samy ao Bemasoandro Itaosy, ireto nanapa-kevitrg ny nanakan-dàlana sy nitsioka kiririoka noho ny hatezerana. Tapaka farafahakeliny intelo isaky ny alina ny herinaratra tao anatin’ny telo alina misesy izay, ny herinandro lasa teo. Nivoaka ny fahanginany ireo
olona izay tombanan’ny zandary ho 300 eo. Nisy tamin’izy ireo no nisafoaka ka nitoraka ny fiara izay nandalo, ankoatry ny fanakanan-dàlana raha araka ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana ihany. Voatery nidina teny an-toerana ary ny Emmo-Reg ka nandrava ny hetsika. Tao anatin’iny harivan’ny asabotsy iny ihany dia nisy dimy tamin’ireo mpitarika ny tolona no nosamborina avy hatrany. Nisy fikasàna ny handoro ny « transformateur » an’ny Jirama nataon’ireo olona ka isan’ny antony nitazomana azy ireo eny amin’ny biraon’ny zandary izany. Mitroatra ny olona ary tsy vao voalohany no nisian’izao teny Itaosy. Ny valin-kafatra anefa matetika dia teny sy serasera ary tsy misy mivaingana. Tsy mifanalavitra amin’ny fandrindràna ny fiparitahan’ny pesta ihany : ny biraon’ny andrim-panjakana indray no nasiana DDT raha toa ka efa misahotaka sy mikorotan-tsaina ny valalabemandry.
D.R