- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Torahana vato ho torana dia endahana

Itaosy : Torahana vato ho torana dia endahana

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy, indrindra ireo mpanendaka amin’izoa fotoana izao. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa fomba hafa indray no ampiasain’ireo mpanendaka eny Antsahakely sy ny lalana eny Ampita Adrefana, eny Itaosy. Ireo mpandalo mampiasa ny lalana dia iharan’ny torabato sesilany ary tsy avelan’ireo olon-dratsy raha tsy torana. Rehefa izany, tonga izy maka izay any ambalahan’ilay olona. Tamin’ny herinandro lasa, mpandray volan’ny taxi-be no sendra ireto mpanendaka ireto. Niezaka nandositra ihany izy nefa tsy afaka niala ny torabato ka farany nianjera ihany. Lasan’ireo bandy ny vola tany aminy miampy ny telefonina. Velon-taraina ireo rehetra mampiasa an’ireo lalana ireo ary miantso ny tompon’andraikitra hijery akaiky ny fandehan-javatra.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser