Adiadin-jatovo niafara tamin’ny fahatesana ! Tovolahy iray voatrobaky ny antsy teo amin’ny fony no namoy ny ainy teny Bemasoandro Itaosy ny zoma lasa teo, taorian’ny ady nifanaovany tamina tovolahy iray teny an-toerana. Nijininika ny rà tao Ambonisoa, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo ho eo. Tsy fantatra mazava izay fototry ny adin’ireto roalahy, manodidina ny 17 sy 20 taona ireto fa ny feo efa nanomboka niha niakatra no nanaitra ireo mponina. Nihamafy ary tonga hatrany amin’ny fandraisana zava-maranitra mihitsy izany. Tsy tandrin’ilay iray akory, efa antsy no niantefa teny aminy. Voantsindro teo amin’ny fony ny tovolahy ary nitolefika moramora tamin’ny tany. Nikoropaka ny olona. Efa tongotra an-katoka kosa ny an’ilay nahavanon-doza, tao anatin’ny savorovoron’ny olona namonjy ity maratra. Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana kosa ilay naratra saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy noho ny habetsaky ny rà very. Efa eny am-pelatanan’ny zandary eny an-toerana ny raharaha. Hatreto kosa mbola tsy hita tany nanjavonana ilay tovolahy iray nanindrinona antsy. Mandeha araka izany ny fikarohana an’ity mpamono olona ity.
m.L