- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Tovolahy resevera, maty voatsindrona antsy

Itaosy : Tovolahy resevera, maty voatsindrona antsy

Valifaty sa fanendahana niafara tamin’ny vono olona ? Tovolahy iray, izay fantatra fa mpanampin’ny mpamily amina zotra taxibe eto an-drenivohitra no hita faty teny an-tsisin-dalana teny Ankadimanga itaosy, ny alatsinainy lasa teo. Nisy diana ratra teo amin’ny tendany, izay toy ny hoe notsatohina zava-maranitra izany, araka ny fampitam-baovao azo. Antony izay noheverina fa nahatonga ny fahafatesany. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina teo ho eo ity lehilahy 30 taona no hitan’ny olona nitsirara teo amoron’arabe, nihosin-drà tanteraka. Hatreto dia mbola mistery ho an’ireo mahafantatra an’ity lehilahy ity izao fahavoazana izao. Raha ny voalaza mantsy dia tsy nihetsika ary tsy nandeha taiza na taiza izy tamin’io fotoana io. Raha nandeha niaraka nisotrosotro avokoa aza ireo namany dia tsy nandeha tany izy, raha ny fantatra hatrany. Olona sendra nahita azy io efa tsy nisy aina intsony no nahafantatra avy hatrany ary niantso ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ireo olona akaiky azy. Tonga teny an-toerana ihany ireo mpitsabo nanao ny fitiliana ny razana, ka teo nahitàna ratra teo amin’ny tendany. Efa mandeha moa amin’izao fotoana izao ny fikarohana izay nahavanon-doza sy ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity raharaha ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici