- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Vehivavy notsatohan’ny zaobaviny hety, maratra mafy

Itaosy : Vehivavy notsatohan’ny zaobaviny hety, maratra mafy

Raikitra ny fifamalina teo amin’ny vehivavy roa, mpizaobavy, teny Itaosy, afakomaly. Tsy nahatsindry foa ny iray ka lasa naka hety ary notsindrominy tamin’izany ilay zaobaviny. Niantefa teny amin’ny tendany sy ny tarehany ilay zava maranitra. Maratra mafy tokoa ilay voa. Raha nahita izany ny mpianakavy dia nanasaraka ary ny nahamaika avy eo dia nitondra ilay voa tany amin’ny trano fitsaboana. Araka izany, avotra Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina izay nahatonga ny fifamaliana. Toe-javatra mahavariana ihany ity indray mandeha ity. Raha ny mahazatra sy fandre dia mpivady, mpianaka, mpirahalahy no re fa mifamono rehefa tsy mifanaraka. Indraindray, miafara amin’ny famoizana ain’olona mihitsy izany.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser