Nisy ny hetsika manokana ho fiadiana amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, indrindra fa ny eto an-drenivohitra izay ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Nahazoana vokatra tsara aloha izany hatreto, satria dia saika voasoroka mialoha avokoa ireo fanafihana nokasain’ireo andian-jiolahy atao. Efa maro ihany koa ireo voasambotra, ka anisan’izany, ilay jiolahy antsoina hoe Dedekely, izay sarona niaraka tamina ramatoa iray, mpampiantrano azy, teny amin’iny faritra Itaosy iny. Araka ny fanazavàna nomen’ireo zandary avy eo anivon’ny kaompania Tana Ville dia ity farany ity no anisan’ireo olon-dratsy nifampitana tamin’ireo mpitandro filaminana ny volana oktobra lasa teo, teny amin’iny faritra iny, raha nikasa hanomana fanafihana mitam-piadiana. Tamin’io fotoana io dia nahazo vaovao avy hatrany ny teo anivon’ny zandary fa misy andian’olona manomana fanafihana teny an-toerana. Amin’ity hetsika manokana ity moa dia misy foana ireo zandary manatanteraka fisafoana eny rehetra eny, ka niainga avy hatrany ireto farany ho an’ny toerana voalaza fa nisy io fivoriana fanomanana fanafihana io. Vao nahita an’ireo mpitandro filaminana anefa ireo olon-dratsy, avy hatrany dia nitifitra. Nirefodrefotra ny basy tamin’izay saingy tsy nisy teo ny voasambotra, tsy nisy ihany koa ny naratra na ny maty. Taty aoriana rehefa nandeha ny famotorana sy ny fikaroham-baovao, ary ny fanomezam-baovao nataon’ny olona tsara sitrapo dia tra-tehaka teny amin’iny faritra Itaosy iny ihany ny iray tamin’ireo olon-dratsy, izay efa niomana ny hitsoaka indray saingy tsy afa-bela. Voasambotra ihany ilay ramatoa tompon’ny trano nanaovan’izy ireo fivoriana, talohan’ilay fanafihana. Ny eo anivon’ny zandary moa dia tsy mitsahatra ny manao antso avo amin’ireo mponina ny amin’ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa : ny fanomezam-baovao sy ny fiantsoana azy avy hatrany raha vao misy tranga mampiahiahy eny amin’ny fiarahamonina eny.
m.L