Tovolahy iray eny amin’iny faritra Itaosy iny, no mampikolay ireo mponina eny an-toerana amin’ny alàlan’ny fisetrasetrana, raha ny voalazan’izy ireo. Fantatra fa zanaka tomponandraikitra ambony tamin’ny andron’ny Tetezamita ity ranamana ity, ary toa hoe efa fanaony ilay misetrasetra, mandrahoana olona na manampatra fahefana, araka ny nambaran’ireo mponina. Rehefa misy ny hadalana somary tafahoatra sy trangan-javatra mafampana, hoy hatrany izy ireo, dia manjavona eo eny amin’iny faritra iny, ity tovolahy ity. Toa hoe ireo fianakaviany mihitsy no mamindra toerana azy, mandrapilamin’ny toe-java-misy indray. Tsy fay amin’izay anefa ity olona ity fa dia mamerina ny hadalany indray aty aoriana. Andro vitsivitsy lasa izay, nisy ny filam-baniny nataon’ity tovolahy ity tamin’ olona iray teny an-toerana. Nitory vokatr’ity herisetra nihatra taminy ity ilay naratra. Taorian’izay anefa, raha ny voalazan’ireo mponina teny amin’iny faritra iny, dia toa hoe nirara-kompana ny fandrahonana nahazo an’ilay olona nitory. Tonga hatrany amin’ny fandrahonana ho faty sy fanagadrana mihitsy izany, noho ireto fianakaviana mahitahita, raha ny angom-baovao azo hatrany. Malaza aza ny hoe hatsimbadik’izy ireo indray ny zavatra niseho, izany hoe, ilay tovolahy mpisotasota indray no hitory an’ity olona nosetrasetrainy, amin’ny alàlan’ny fangalana vavolombelona handainga. Lamaodin’ireo zanaka tomponandraikitra ambony eto amintsika indray ve ity tia misetrasetra sy manampatra fahefana amin’ny madinika ity ? Tsiahivina, fa tranga toa izany ihany no nahatonga ilay fahatezeram-bahoaka nitranga tetsy Alarobia, fotoana vitsy lasa izay.
Nangonin’i m.L