- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Zazavavikely avy niantsena, maty nofaohin’ny kamiao

Itaosy : Zazavavikely avy niantsena, maty nofaohin’ny kamiao

Misesisesy hatrany ny famoizana ain’olona tsy manantsiny noho ny lozam-pifamoivoizana mitranga etsy sy eroa. Omaly hariva, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany, ankizivavy kely iray vao 13 taona monja no maty tsy tra-drano nofaohin’ny kamiao iray. Teny akaiky ny CEG Amboatavo Itaosy no nitrangan’izany. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny loza dia nandeha tamin’ny sisin-dalana ity zaza ity nefa mbola voafaoka ihany. Marihina mantsy fa tapaka hisatra no nahatonga ity kamiao ity nanitsy avy hatrany tany amin’ny sisin-dàlana ka nahavoa ity tsy manantsiny ity. Etsy andaniny, ilay làlana ihany koa mbola fidinana sady vao avy namboarina ka nanampy tosika ny hafainganam-pandehan’ilay kamiao. Mafy ny dona nahazo ilay zazavavy ka nitarika avy hatrany ho amin’ny fahafatesany. Voalaza fa nirahin’ny tao an-trano nandeha niantsena ity farany tamin’io fotoana io. Nony nody anefa izy dia izao sendran’ny loza mahatsiravina izao. Nitangorona ny olona nahita ny zava-niseho ary niara-nisalahy nandrakotra lamba ny razana sy nampandre ny ray aman-dreniny nipetraka tsy lavitra teo.Marihina fa kamiao mpitondra vatokely. Efa tonga teny an-toerana nanao ny “constat” rehetra ny teo anivon’ny zandarmaria. Efa notazomina eny amin’ny biraon’izy ireo ihany koa ilay saofera hanaovana ny fanadihadiana rehetra.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici