- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItasy - Analavory : kaontera fito very tao anatin’ny telo andro

Itasy – Analavory : kaontera fito very tao anatin’ny telo andro

Manjaka tokoa ny hala-botry  rehefa maty iny ny jiro. Nanomboka ny alatsinainy no nankaty tokoa mantsy dia efa miisa fito ny fitarainana voarain’ny Jirama any an-toerana. Rehefa tapaka iny ny jiro dia manararaotra ireto mpangalatra manongotra azy, ilay kaontera rahateo any an-tokotany ka tsy sarotra ny fangalarana azy, nony avy eo vao taitra ny ao an-trano fa maharitra ora maro mbola tsy miverina ihany, ary matetika ary moa maharitra hatramin’ny maraina.

Rehefa mifoha maraina vao taitra ny iray trano mahita ny kaontera efa manjavona ka taroby miboridana sisa no mipoitra eo.

Tapa-kevitra tamin’izany ireto tompon’ny very ka nametraka fitarainana eny amin’ny Jirama mba hanoloana haingana ireo kaontera very ireo noho ihany koa mba hampidirana an’izany any an-trano tsy hiverenan’ny toe-javatra toy izao intsony. Efa mpitranga matetika moa ny raharaha tahaka izao fa dia anjaran’ny tsirairay no mitandrina sy mailo .

Efa mandeha moa ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ny mety hahafantarana marina izay mety ao ambadik’izao toe-draharaha izao

Alem.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici