- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversItasy : Dahalo telo lahy nanafika ka maty ny iray tamin’izy ireo

Itasy : Dahalo telo lahy nanafika ka maty ny iray tamin’izy ireo

Ny asabotsy  alina teo  no nanafika tanàna iray tao Alakamisikely ireto jiolahy telo, niantso vonjy ny tao an-tanàna ka vetivety dia vory ny fokonolona, kibay sy antsibe ary vato moa ny teny an-tànan’izy telo lahy ireto, ka tsy nampihemotra ireto fokonolona ny fanoherana azy, avy hatrany dia raikitra ny fifanjevoana ka azo sambo-belona tamin’izany ny iray tamin’ireto olon-dratsy.Vao voasambotra  ny anankiray dia tsy nanaiky ny vahoaka fa samy namely avokoa noho ny vono nahazo azy dia tsy tana intsony ny ain’ity jiolahy,rehefa natao ny fisavana ny razana dia tsy nahitana taratasy momba azy teny aminy koa dia voatery nalevin’ny fokonolona teny an-toerana ny razana.Ilay namany roalahy kosa tafaporitsaka ka mbola tsy hita hatramin’izao. Efa eo am-pelatànan’ny zandary any an-toerana  ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser