- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversItasy : Diakona nosamborin’ny olona

Itasy : Diakona nosamborin’ny olona

Ny 19 septambra lasa teo no nisehoan’ity raharaha ity, izay tsy misy tsy mahafantatra intsony ankehitriny ao amin’ny tanàna antsoina hoe Tsarahonenana, ao anatin ny kaominina Mananasy, distrika Soavinandriana, faritra Itasy.Tokony ho tany amin ny enina ora
hariva tany no nisy efadahy nikasa hangalatra omby tao amin ny tonkatrano iray. Tsikaritry ny tompon omby anefa izany ka niantso vonjy avy hatrany ny olona tao an-trano sady nitoraka ihany koa ireo dahalo. Voa tamin’izany ny iray tamin ireo jiolahy.Tonga avy eo ny fokonolona izay nanomboka ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nisy ny nahatadidy ny iray tamin’ireo mpandroba ireo. Nokarohina tany an tranony izy io ka voaporofo fa tena izy tokoa ilay voatoraka. Diakona no asany, ary niaiky ny heloka vitany izy. Nentina teny amin ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny tenany ary noho ny fanelanelanana nataon’ny pasitera iray namany dia votsotra ihany. Niakatra fitsarana ny raharaha ka ny nahatalanjona ny maro nanaraka ity tranga ity dia ilay tompon’omby indray amin’izao no nidoboka an tranomaizina. Hafahafa tamin’ny olona tao amin’io fokontany io ny zava-nitranga…

Andry Raph

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici