- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversItasy : Nanolana zazakely, nidoboka eny Tsiafahy

Itasy : Nanolana zazakely, nidoboka eny Tsiafahy

Nisara-bady ary lasa nanaonao foana (sary PN)

Zazavavy enin-taona no naolany ary notambatambazany 500 ariary mba tsy hitantara. Narary anefa ilay zaza ary izay no nanaitra an-dreniny izay nanadihady izay nanjo ny menaky ny ainy. Teo no nivoaka ny marina avy amin’ny fitantaran’ilay zazakely. Olom-pantatra ary akaiky ilay fianakaviana ihany no nahavanon-doza. Soa ihany koa fa nisy mpiara-monina nahita tamin’ny fotoana niarahany teny an-dàlana tamin’ilay zaza. Na izany aza dia mbola nandà ihany ilay lehilahy 35 taona nandritry ny fihainoan’ny polisy azy. Ny porofo anefa dia efa nitohoka tamin’ny tendany avokoa hany ka tsy afaka intsony amin’ny vesatra ara-pitsaràna izay nanenjehana azy. Natolotra ny fampanoavana tao Itasy ary nidoboka any Tsiafahy avy hatrany mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Isan’ny tena enjehina mafy ankehitriny ny fanolanana, indrindra raha mbola tsy ampy taona ny niharan’izany. Ankoatry ny tsindrona hatao ka mampalemy mandrakizay ny maha-lehilahy ny mpanolana, ny sazy mafy indrindra koa no mboka miandry azy ireny. Manome taratra izany ity tranga tetsy Itasy ity, eny Tsiafahy avy hatrany no notazomina am-ponja.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici