- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversItasy : Nomena fanamiana vaovao ireo « quartier mobile »

Itasy : Nomena fanamiana vaovao ireo « quartier mobile »

Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’iny distrikan’Arivonimamo iny ny teo anivon’ny faritra Itasy izay notarihin’ny Governora sy ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Anisan’ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika ho an’ireo tompon’andraikitra ambony izany, hijeren’izy ireo sy hamantarana ireo olana sedrain’ny vahoaka eny ifotony. Tamin’ity indray mitoraka ity, araka ny fampitam-baovao azo dia tsy vitan’ny fijerena imaso ireo olana mianjady fotsiny anefa ireto olom-boatendry sy olom-boafidy ireto fa nitondra anjara biriky sy fandraisana andraikitra manoloana izany. Eo amin’ny lafiny fandriampahalemana ohatra dia nanolotra fanamiana vaovao ho an’ireo quartier mobile tany an-toerana izy ireo. Eo amin’ny lafiny sosialy dia nisy ny fitsidihana ny hôpitaly, ny CEG izay mila fanamboarana ary ny toerana izay hanitarana ny tsena. Fa ankoatr’izay dia nifanandrify indrindra tamin’ny ezaka fanamboaran-dàlana nataon’ireo fokonolona tao an-toerana ireto tomponandraikim-panjakana ireto ka tsy nijery fotsiny izany ezaka izany, fa nitondra anjara biriky tamin’ny alalan’ny fanomezana omby ho fampirisihana ireo fokonolona hazoto handray andrakitra. Nanome toky ny Governora fa hanolo-tanana ary hanohy ny fanamboaran-dalana rehetra ato amin’ny faritra.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici