Voatery nanokafana fanadihadiana ilay mpitari-piangonana noho ny fitoriana nataon’ny olona iray. Resaka vehivavy ilay olana raha araka ny fanazavan’ny zandary. Nisy sms nalefan’i pasitera tany amin’ny ramatoa iray izay voalaza ho sakaizany. Hitan’ny tompom-bady izany ka nitarika ny hatezerany. Ny zanany izay mpiara-monina amin’i pasitera no nirahiny mba hangata-panazavana ao amin’ilay pasitera. Hatreo mantsy izany dia nangala-bady no fijerin’ilay fianakaviana an’ity mpitari-piangonana ao amin’ny kaominina ambanivohitra iray. Ny valin’izany anefa dia daroka avy hatrany izay niteraka faharatràna. Tsy namonjy mpitsabo izy fa kosa avy hatrany dia nanomana ny fitoriany teny anivon’ny zandary. Nampanantsoina i pasitera ary afaka nody ihany izy rehefa vita izany. Omaly no natao ny fanolorana azy momba ny vono sy ratra niniana natao ary nahazoany fahafahana vonjimaika koa izany. Tsy voalohany no nisy toy izao ary ry pasitera dia miady mafy hatramin’ny farany rehefa misy mitory ho nangala-bady. Ny antony dia satria antony lehibe mahavery asa ny mpitari-piangonana izany. Ampanantsoina aty amin’ny foibe mihitsy izy ireo ary angataham-panazavana, ankoatra ny raharaham-pitsarana.
D.R
Itasy : Pasitera natolotra fampanoavana fa nikasi-tànana
Articles qui pourraient vous intéresser