Omaly maraina no nahitan’ny olona fatin-dehilahy iray nitsotra teo amoron-dalana teny amin’ny fokontany Ivandry ampitan’ny tobin-dasantsy. Rehefa nojerena dia miboridana be ilay izy. Tsy nisy ratra hita nivantana kosa anefa tamin’ny tenany. Na izany aza, ohatra ny nihosom-bovoka ilay razana. Rehefa teo an-toerana moa ny tompon’andraikitry ny fokontany dia nanarona lamba fotsy io faty io. Tsy nisy nahalala azy ireo teny an-toerana tamin’ny fotoana nandalovanay teny. Efa nihinjitra be ny ratsam-batany
Nisy kosa anefa ny afaka nitantara fa tamin’ny alina, nisy lehilahy iray nandeha tamin’ny lalana Ankrondrano nianavaratra. Tsy niakanjo intsony io olona io fa silipo sisa teny an-kodiny. Nisy ireo nilaza fa ankeviny nisy nanendaka ity olona ity ary mety ho voadaroka satria efa nivembena ihany ny fandehany. Nangovitry ny hatsika ilay izy. Tsy fantatra aloha na io olona hita faty io ilay nandeha tsy niankajo tamin’ny alina na olona hafa mihitsy. Ny itoviany, samy efa tsy niakanjo intsony.
r.s.