Tazomina eo anivon’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava ilay vehivavy ary mbola tao omaly. Ny antony dia noho izy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny olon-tiany. Ny talata lasa teo io farany no naratra mafy rehefa voatsatoky ny antsy teo amin’ny kibony. Nitarika ny fahafatesany izany na dia teo aza ny fikasàna ny hamonjy ny ainy. Rehefa nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana dia nitodika nankany amin’io vehivavy io ny ahiahin’izy ireo. Efa ela anefa no niaraka ireo olona roa ireo ary efa niray trano aza, raha araka ny fanampim-panazavana azo. Inona ny zava-niseho izay mety ho nahatonga ilay vehivavy ho nandatsa-drà ny olon-tiany, raha tena ho izy tokoa no nahavanon-doza ? Miompana amin’izany fanontaniana izany ny fanadihadiana mandeha etsy Anosy efa ho roa andro izao. Koa satria heloka bevava no nitranga dia mety hitatra lavalava ny fitazomana ilay vehivavy ao amin’ny biraon’ny polisy satria mety hangataka fanalavam-potoana fahazoana mitazona olona voarohirohy, eny anivon’ny fampanoavana ny mpanao fanadihadiana. Hatramin’ny omaly dia mbola notazomina tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny razana ary nohalalinin’ny manam-pahaizana ny antony tena nahafaty azy.
D.R