- Publicité -
vendredi, août 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvandry - Marais Masay : Mpitondra moto roa, maty tsy tra-drano

Ivandry – Marais Masay : Mpitondra moto roa, maty tsy tra-drano

Loza mahatsiravina miisa roa no nitranga ny alahady hariva teny amin’iny lalan’Ivandry sy tetsy amin’ny lalan’i Marais Masay iny. Loza izay samy nahavoazana mpitondra moto avokoa ary namoizana ain’olona. Tokony tamin’ny enina ora sy sasany hariva no nitranga ny voalohany teo Masay. Lehilahy iray nitondra moto scooter miloko manga no nitsirara tao anaty rà mandriaka ary efa tsy aina intsony. Zara raha simba kosa ilay kodiaran-droa. Zandary iray sy ireo polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana no tazana teny an-toerana. Raha ny nambaran’ireo nanatrimaso dia handeha hizotra ho any Akorondrano any ity mpitondra moto ity. Handeha hisongona fiara teo anoaloany avy an-kavanana izy no noteren’ity farany ka nahazo ilay rindrina kely teo am-povoan’ny lalana iny ilay moto. Tsy hay navily ary nitarika ny fianjerany. Nipitika avy hatrany ity farany aty nahazo ilay “beton” amin’ny sisin-dalana ny lohany. Mazava ho azy fa samy nandeha mafy ny roa tonta ary mafy dia mafy ny dona, izay nitarika izao fahafatesany izany. Re teny an-toerana ihany moa fa mpitandro filaminana izy io saingy tsy am-perinasa tamin’io fotoana io. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika izay Ora vitsy taorian’io teo Masay io no niseho indray ny teo Ivandry. Tamin’ity indray mitoraka ity raha ny angom-baovao azo hatrany dia vokatry ny fandehanana mafy hatrany no nahatonga ny loza. Handeha hizotra ho any Ivandry avy any Ankorondrano ilay moto no tsy tafajanona intsony rehefa nisy fiara nijanonana teo alohany. Mafy dia mafy ihany koa ny dona nihatra taminy ary nitarika hatramin’ny famoizany ny aina. Fa mbola loza nihatra tamin’ny kodiaran-droa hatrany no niseho tetsy Tsarasaotra omaly. Raha ny vaovao azo dia mpitandro filaminana am-perinasa na irony “motard” irony no voadonan’ny fiara. Naratra mafy ity farany. Efa tonga teny -an-toerana moa ny namany nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici