- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Mpamaky trano roa lahy voasambotry ny Polisy

Ivandry : Mpamaky trano roa lahy voasambotry ny Polisy

Lehilahy 2 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy,  ny 01 Mey 2019 lasa teo tao Ivandry noho ny resaka vaky trano. Tokantranon’olona iray eny an-toerana no saika hotafihan’izy ireo, tamin’ny Alarobia 01 Mey tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Tsy nahomby anefa izany, satria naheno zavatra nikorontana ny tompon-trano ka nivoaka nitsirika izay miseho ao an-tokotany. Tamin’izany no nahatsikaritra lehilahy iray izy. Nanapa-kevitra hivoaka avy hatrany ny tompon-trano ka rifatra nandositra ilay io ary hadinony teo an-tokotany ny sakaosiny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana raha vao nahazo fampandrenesana avy amin’ny tompon-trano. Natao ny fanarahan-dia ka tratra teny amin’ny manodidina teny ihany ireo roa lahy ireo ny Alakamisy 02 Mey tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Nandritra ny fanadihadiana azy ireo no nahalalana, fa efa nigadra teny Antanimora avokoa izy ireo noho ny resaka fanendahana. Omaly no natolotra ny fitsarana ireto jiolahy ireto, ary naiditra am-ponja eny Antanimora avy hatrany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici