- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Mpanao sinto-mahery 2 lahy nifanenjehan’ny polisy

Ivandry : Mpanao sinto-mahery 2 lahy nifanenjehan’ny polisy

Vehivavy iray no lasibatry ny mpanendaka roalahy tetsy Ivandry, sampanana mihazo an’Ambodivoanjo iny afakomaly. Lasa tamin’izany ny poketra nisy vola sy finday. Soa ihany, mbola teo ireo pôlisy mpandrindra ny fifamoivoizana, izay tsy nandray ny andraikiny avy hatrany.

Efa tsy misy fahatorana intsony ireo olon-dratsy fa na dia eo ambany masona mpitandro filaminana aza dia mbola sahy manao ny ataony ihany. Toy ity nitranga tetsy Ivandry ity. Hiarahan’ny rehetra mahalala fa tsy hilaozana mpitandro filaminana, izay mandamina ny fifamoivoizana amin’iny lalana iny, kanefa dia mbola zatra ny lalan-dririnina angamba sa hoe tanana efa zatra mitsotra, na fiheverena sy fanaovana tsinotsinona ireny pôlisy mpandamina ny fifamoivoizana ireny. Teo ambany mason’izany mihitsy mantsy, amin’iny sampanan-dalan’Ivandry mizotra mihazo ny fianarana vahiny iray any Ambodivoanjo iny mantsy no nanendaka, tsy tahotra tsy henatra an’ity ramatoa iray nandeha tongotra ireto roalahy, tokony ho tamin’ny iray ora atoandro teo. Velona ny antso vonjy ary tsy nisalasala mihitsy ireo pôlisin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahavalo, niala teo amin’ny asa niandreketany ary nanenjika ireto olon-dratsy. Azo heverina fa mahafantatra tsara ny elakelan-trano teny amin’iny faritra iny izy roalahy ireto kanefa tsy namelan’ireo pôlisy. Ary tsy lasa lavitra dia tra-tehaka. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana tany amin’ny birao moa nony avy eo. Taorian’ny fe-potoana ara-dalàna ahafahana mitazona azy atao andrimaso dia tsy maintsy natolotra ny Fampanoavana.

Mipaika tokoa ity ny volana desambra. Saika mitohana avokoa ireo lalana rehetra izay alehan’ny fiara, mihabetsaka olona mifanaretsaka eny an-tsena isan-karazany eto an-drenivohitra. Dikany, efa mivonona amin’ny fety aman-danonana isan-karazany ny rehetra. Fa toy ny volana desambra rehetra ihany koa dia miha-mirongatra ny sinto-mahery sy ny fanendahana eny rehetra eny. Tranga izay efa hezahin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana hofongorina saingy tsy mety. Ny eo rantsanana mantsy, ny hafa mitsiry ihany …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici