Tsy ireo dahalo any ambanivohitra ihany akory no mampiasa ody gasy fa na hatramin’ireo olon-dratsy aty an-drenivohitra aza. Tovolahy iray no nikasa hangalatra môtô « Discover 150cc » tetsy Ivandry tamin’ny alalan’ny fampiasàna ody gasy. Tsikaritr’ireo pôlisy miasa eny an-toerana anefa izany ka nandamoaka ny tetika. Tsy nandaitra ilay ody …
Ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any no nitrangan’io zavatra io tetsy akaikina tranombarotra lehibe iray tetsy Ivandry. Lehilahy iray mantsy no hitan’ireo pôlisy avy ao amin’ny Fip, nanosika môtô avy any amin’iny lalan’i Tsarasaotra hizotra ho any Ivandry. Hafahafa fihetsika ny lehilahy, nanosika ity môtô lafovidy ity izy sady miezaka mamelona izany ihany. Nanatona avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Raha vao nahita izany koa ilay lehilahy dia nirifatra nitsoaka namela ilay kodiaran-droa teo. « Rehefa nozahana kosa dia tsy nisy fanalahidy ilay moto ary nahitana fanafody gasy kosa teo amin’ny « guidon » » hoy ny vaovao. Nogiazana avy hatrany moa ity fitaovam-pitaterana ity ary miandry izay mety ho tena tompony haka azy any amin’ny Fip Antanimora. « Iangaviana kosa izay olona mahafantatra ny tompon’ilay moto mba hampandre azy sy hitondra ireo taratasy mahakasika ilay moto ».
m.L