- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversIvandry : Mpangalatra tratry ny fokonolona, nampitondraina « pancarte »

Ivandry : Mpangalatra tratry ny fokonolona, nampitondraina « pancarte »

« Raha tsy tonga ara-potoana ny pôlisy dia matin’ny fitsaram-bahoaka ity voalaza fa mpangalatra ity »

Omaly maraina, nifanjevo ny olona tetsy Ivandry, tsy lavitry ny Pullman iny. Lehilahy iray no nifanenjehan’ny rehetra, voalaza fa avy nangalatra ny tafon’ireo tsena manamorona ny lalana Pr Zafy Albert teny an-toerana. Rehefa nifanakanan’ny rehetra dia tsy lasa lavitra akory no voasambotr’ireo fokonolona ny lehilahy. Efa teo am-pelatanan’izy ireo izany voalaza fa mpangalatra izany no tonga haingana ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborin-tany fahavalo, niezaka nandamina ireo mponina.

Araka ny fanazavana azo dia tokony ho tamin’ny enina ora maraina tany ho any no naharay antso ny teo anivon’ny pôlisy avy etsy amin’ny PPa Soavimasoandro, ny mahasika ity tranga ity. Nidina avy hatrany, faran’izay haingana izy ireo araka izany, niezaka nanesotra ity lehilahy 38 taona, teo ambanin’ireo vahoaka feno hatezerana. « Raha tsy tonga aloha izahay, hoy ny fampitam-baovao teo anivon’ny pôlisy dia efa vatana mangatsiaka no novantanina, matin’ny fitsaram-bahoaka teo ity rangahy ity ». Tamin’ny fahatongavan’ireto farany tokoa mantsy, raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia efa vory lanona ireto mponina ary efa niainga rahateo moa ny daroka sy ny vono isan-karazany. Tsy vitan’izay fa efa naboridan’ireo fokonolona ny tenany ary nampiambozonina baoritra kely milaza hoe « mpangalatra 2023 », izany olon-dratsy izany.

Ho fiarovana ny ainy sy hanaovana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity moa, dia nentin’ireo pôlisy avy hatrany niala teny an-toerana, nihazon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy, ary notazomina natao andrimaso. « Mbola eo ampanaovana fanadihadiana ny pôlisy amin’izao » hoy ny fanazavana azo. Heverina fa aorian’izay no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ity olona ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici