Lehilahy eo amin’ny 37 taona no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny fianjerany tamin’ny moto nentiny, omaly misandratr’andro teny Ivandry. Ireo nahita ny fisehoan’ny loza no nahafantarana fa somary nandeha mafy ity olona ity ary dia tsy fantatra izay nampianjera azy niaraka tamin’ny moto. Nidona tamin’ny sisin-dalana izy, nipitika avy eny ambony moto ary tsy nihetsika intsony. Nanao “casque” izy nefa dia ny lohany no voalaza fa vaky. Araka izany, mafy dia mafy ny fianjerany. Nijininika ny rà. Tsy nahatsiaro tena ilay olona. Nifarimbona ny olona ary niezaka nitondra azy tany amin’ny hopitaly nefa tsy tana ihany ny ainy.
Tamin’iny lalana Ivandry ho aty alarobia iny no nisy ity loza ity.
r.s.