- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Mpitondra môtô maty nianjera

Ivandry : Mpitondra môtô maty nianjera

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga tetsy Ivandry, miala kely ny Ivontoeram-pampianarana momba ny tetipivoarana, mizotra mankany Analamahitsy iny. Tovolahy iray, 21 taona, no naratra mafy  rehefa nianjera tamin’ny môtô teny an-toerana. Nentina namonjy toeram-pitsaboana moa izy saingy tsy avotra intsony ny ainy, na dia teo aza ny ala nenina nataon’ireo mpitsabo. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro tany ho any no nisehoan’ny loza, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Avy aty Ivandry, hizotra ho an’Analamahitsy ny tovolahy tamin’io fotoana io ary nitondra môtô « cross » marika Senko. Raha ny angom-baovao azo dia somary nandeha mafy ihany ny lehilahy. Mamitaka  anefa io lalana io fa sady fidinana kely no misy fiolanana izany ary tena mampidi-doza aok’izany satria misy fiara mifanena ihany koa, izay  samy mandeha mafy avokoa rehefa tsy misy fitohanana. Manginy fotsiny moa ny fisian’ireo mpandeha an-tongotra izay tsy misalasala miditra anaty arabe mihitsy indraindray, noho ny fisian’ireo tsato-bin’ny dokambarotra mibahana ny lalana. Tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza dia voalaza fa nisy olona teo alohany ary niezaka niala izany izy. Saingy noho ny fandehanany mafy dia sarotra ny namerina tamin’ny laoniny ny familiana. Vokany, rehefa avy nikivilavila ilay kodiaran-droa dia nianjera sy nipitika, nanakarapoka ny mpitondra azy tamin’ny sisin’ny arabe. Voadona mafy teo amin’ny lohany ilay tovolahy ka na dia teo aza ny aroloha nanaovany dia tsy nisy dikany velively. Nandriaka ny rà. Ireo sendra nahita ny loza teny an-toerana moa no nitondra ilay naratra haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana izay efa tsy nahatsiaro tena intsony. Saingy indrisy moa fa tsy tana intsony ny ainy. Tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary nanatanteraka ny fanadihadiana mahazatra azy ireo.

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici