- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Nandona olona dia nitsoaka, nidoboka am-ponja

Ivandry : Nandona olona dia nitsoaka, nidoboka am-ponja

Raha tsy ny vadiny no notazomina, tsy nipoitra ilay lehilahy nahavanon-doza

Lehilahy iray mbola tanora no nandona tamin’ny kodiaran-droa nentiny ny vehivavy 83 taona tetsy Ivandry. Namoy ny ainy io farany noho ny fahavoazana nanjo azy. Ilay tompon’antoka tamin’ny lozam-pifamoivoizana kosa dia nitsoaka rehefa nitranga izany. Navelany nitsirara tamin’ny tany teo ilay ramatoabe. Noezahin’ny olona navotana teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany saingy tsy tana intsony ny ainy. Nanomboka teo ny fikarohana ny nahavanon-doza izay nataon’ny polisy misahana ny raharaha momba ny lozam-pifamoivoizana (brigade des accidents). Rehefa nandeha ny fikarohana rehetra dia nanomboka hita amin’izay ny misy ilay lehilahy. Tsy lavitra ilay toerana nitrangan’ny loza ny toerana satria monina eo Ivandry ihany izy. « Nony tonga tao amin’ilay trano anefa ny polisy dia tsy tao intsony izy ary rehefa nanontaniana ny manodidina dia fantatra fa efa ela izy no nifindra trano » raha araka ny fanazavan’ny polisy izay nisahana ny fanadihadiana. Tsy nampijanona ny fikarohana izany. Ny alakamisy lasa teo no nisy nanome vaovao ny tompon’andraikitra ny amin’ny fahitàna ilay lehilahy tetsy Ampasapito. Nojerena teny an-toerana ary tena voamarina tokoa izany saingy mbola tsy tratra ihany izy. Mivarotra finday no ataony eo Ampasampito ary sady eny ihany koa izy no monina. « Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy tao amin’ilay trano voatondro ho fonenany dia ny vadiny no tao an-trano. Nentina nanaovana fanadihadiana ity farany, saingy tsy nahalala izay toerana nitsoahan’ilay lehilhay » hoy ihany polisy. Midika izany fa efa nivonona tamin’izay mety ho fisamborana azy izy ary koa efa nanomana ny fitsoahany. Ny tsy zakany anefa dia ny nisamborana am-badiny, teo no tsy noeritreretiny. « Ny sabotsy lasa teo dia nitolo-batana teny anivon’ny kaomisaria etsy Analamahitsy izy ary naterina teny amin’ny polisy misahana ny fanadihadiana ny raharaha, etsy Tsaralalàna, nony avy eo » raha araka ny fanamarihana. Niaiky tokoa ilay lehilahy tamin’ny heoka vitany. Natolotra ny fampanoavana omaly ary nidoboka am-ponja vonjimaika. Ankehitriny dia lasa fanaon’izay nahavanona lozam-pifamoivoizana ny fitsoahana (délit de fuite). Isan-kerinandro dia saika misy izany hatrany eto an-drenivohitra. Mila mirona amin’ny fampiasana teknolojia toa ny « camera de surveillance » ankehitriny raha te-hiady amin’ireny mpitsoaka heloka ireny. Tsy misy firenena izay tsy mampiasa izany intsony raha tena te-hiaro ny ain’ny mpampiasa làlana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici