- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Noravana ireo trano miorona ambony lalandrano

Ivandry : Noravana ireo trano miorona ambony lalandrano

Efa ela angamba no tokony nandraisana izao fanapaha-kevitra izao raha ny zava-misy eto andrenivohitra no jerena. Trano maromaro izay hita fa tsy manara-dalàna ny fanorenana azy noho izy ireo miorina eo ambony lakandrano no noravana omaly teny amin’iny faritra Ivandry iny. Natao izany mba ialana amin’ny tondradrano miseho eto Antananarivo vokatry ny fahatsetsenan’ireo lakandrano maro. Nara-nahita tokoa ny rehetra ny vokatr’ilay orana niseho ny alatsinainy hifoha ny talata lasa teo iny. Saika dibo-drano avokoa ireo lalana sy tanàna ary ireo toerana ambany rehetra. Betsaka tamin’ireo lakandrano ireo tototra tanteraka noho ireo fanorenana tsy ara-dalàna ireo ka tsy voadio intsony na dia teo ny ezaka ataon’ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra amin’ny fikarakarana ireny fotodrafitrasa ireny. Ny tena nahavariana tamin’ity raharaha ity anefa dia ny nahitana fa toa nitazam-potsiny ny tomponandraikitra tamin’ny fisian’ireny fanorenana gaboraraka ireny. Tsy nisy ny fisakanana fa toa navela hanao izay danin’ny kibony fotsiny ny rehetra. Hita ny vokany ankehitriny ka heverina fa hitohy izao ezaka fanadiovana izao fa tsy ho vonjy tavanandro fotsiny ihany. Ilaina maika ny fanaovana izany asa izany nohon’ny orana izay tsy maintsy hitohy amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Eo ihany koa ny fiavian’ny rivo-doza ankehitriny.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici