- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Pôlisy mamo teny am-pamiliana, nandona fiaran'olona

Ivandry : Pôlisy mamo teny am-pamiliana, nandona fiaran’olona

Tokony ho taratra ho an’ny fiarahamonina ireny mpiasam-bahoaka ireny. Tsy izany velively anefa no mitranga indraindray, fa matetika dia izy ireo indray no mampiseho fihetsika tsy mendrika fa indrindra mivoana amin’ny resaka fanararaotam-pahefanaa izany. Toy ity nitranga tetsy Ivandry ity ny faran’ny herinandro lasa teo.
Pôlisy telo lahy, nanao fanamiana ary angamba am-perinasa mihitsy no hita mamo an-dalambe. Tsy vitan’izay anefa fa nandeha fiara izy ireo ary namily izany mihitsy ny iray tamin’izy telo lahy. Tojo olana ara-teknika tampoka anefa ny fiara nentin’izy ireo ary namantana. Noho ny mpamily efa nahazoazo ihany, dia tsy voatanany intsony ny familiana ka dia nandona fiaran’olona. Araka ny fampitam-baovao azo dia fantatra fa Pôlisy miasa ao amin Kaomisarian’Analamahitsy izy ireo. Teo anatrehan’izany tsy fanarahan-dalana, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena.  « Tsy navelan’Atoa Tale Jeneraly mora foana izao tranga mamohehitra ataona Pôlisy izao, indrindra ao anatin’ny ezaka fanadiovana ny Polisim-perena izay imasoan’ny Ministera, fa nandraisany fepetra henjana teo no ho eo » hoy ny vaovao. Fantatra ary fa fanamboarana eo no ho eo ny zavatra nosimbain’izy ireo ary fampiakarana azy ireo « CoDis », izay mety hiafara amin’ny fandroahana mihitsy. Fepetra, tsara alain-tahaka ho an’ireo sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny, hialàna amin’ireo tsy maty manota.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici