- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversIvandry : Tranona karana nisy nanipy « grenade »

Ivandry : Tranona karana nisy nanipy « grenade »

GRENADE--IVANDRY-(3)Omaly maraina, akory ny hatairan’ity mpiasa vao maraina iray nahita “grenade” tao amin’ny trano hiasany eny Ivandry. Nisy olona nanipy “grenade” tao anatiny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa trano eo an-dàlam-panamboarana izy io ary amin’ny antoandro no misy olona miasa ao. Ana teratany karana ilay izy. Soa aloha fa tsy nipoaka ilay zavatra. Omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina no hita io zavatra io. Nampilazana ny mpitandro filaminana izay tonga avy hatrany teny an-toerana. Rehefa nojerena akaiky ilay zavatra dia fantatra, araka ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana hatrany, fa “grenade lacrymogène”. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao hahafantarana ny marina mikasika ity zavatra ity. Tsy fantatra intsony na tafiditra ao anaty fampihorohoroana izao zavatra izao na ahoana. Vao tsy ela mantsy no nisy ilay “grenade offensive” nirefotra teny Anosy nahafatesana zaza roa. Dia efa mailo avokoa ny rehetra manoloana izany zavatra izany.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser