Efa nandrasan’ireo olon-dratsy fotsiny. Dian-Hay, mpanakanto iray malaza amin’ny hira trôpikaly no lasibatry ny mpanendaka ny herinandro teo amina tokontanina trano fivarotana lehibe iray etsy Ivandry. Iny izy avy niantsena iny, araka ny vaovao azo, no efa nandrasana roalahy nijoro teo akaiky ny fiarany. Tsy nisalasala mihitsy ireto roalahy ireto, nanambana basy sy sabatra azy ary nitaky ny vola sy ny pôketra teny aminy. Tsy afa-nanoatra firy izy, izay vehivavy rahateo. Ary noho ny tahotra, tetsy an-danin’izay dia nanaiky mora izay nolazain’ireo olon-dratsy izy. Fantatra fa lasa tamin’izany ny pôketrany, ny vola ary ny findainy. Ny somary nahagaga dia feno ireny mpiambina sivily ireny tao amin’ity toeram-pivarotana lehibe ity saingy toa tsy afa-nanao na inona na inona. Tetsy an-danin’izay ihany koa anefa, raha vao vitan’ireto jiolahy ireto ny asa ratsiny dia efa nisy fiara niandry tsy lavitra teo, nitondra azy roalahy nitsoaka. Tao anatin’ny indray mipi-maso monja izany rehetra izany, ary vetivety rahateo dia nanjavona ireo olon-dratsy. Tsy nahafahana akory naka ny laharan’ny fiara sy nanenjika azy ireo. Azo eritreretina fa mety efa narahin’ireto olon-dratsy ireto ary maty paika ny tetika nentina nanendahana ity mpankanto malaza ity. Araka ny filazany dia mbola mihorohoro tanteraka tamin’izay tranga niseho taminy izy. Saingy na izany na tsy izany, tsy nahasakana ity mpihira ity tsy hivoatra eo amin’ny tontolo ny kanto izany, ary hanolotra ny tsara indrindra ho an’ireo mpankafy azy. Marihana tokoa fa efa malaza ary efa eny am-bavan’ny maro sahady ilay vazo vao mafana, “Lehilahy gasy”. Isan’ny manandratra sy manasongadina ny maha izy azy ny lehilahy malagasy ity hira ity, entina hampisaina ireo tovovavy variana amin’ny teratany vahiny. Efa vita rindran-tsary izany hira izany, ary efa afaka jerena sahady any amin’ny Youtube. Vazivazin’ny rehetra ny hoe, hampiova ny fijeriny amin’ny “lehilahy gasy” ve ny zava-nitranga taminy ?
m.L