- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : 98.000 euros nogiazana, nitory ny tompony

Ivato : 98.000 euros nogiazana, nitory ny tompony

Niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha rehefa nametraka fitoriana teny ny tompon’ilay vola. Roa herinandro lasa izay raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsarana no nitrangan’ity fanagiazana vola vahiny izay mitentina 98.000 euros ity. Raha ny re manodidina izany dia tsy nanao “déclaration” ny tompon’ny vola ka niteraka savorovoro izany teo amin’ny seranam-piaramanidina. Rehefa nogiazana dia tonga hatrany amin’ny fitoriana, saingy tsy fitoriana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana fa avy hatrany dia tany amin’ny fampanoavana. Raha ny fantatra dia handeha tsy ho ela ny fitsarana momba ity raharaha ity. Na izany aza dia efa nisy ny ampaham-bola niverina tany amin’ny tompony. Manodidina ny 24.000 euros izany, raha araka ny loharanom-baovao hatrany. Nisy feo iray nandeha ihany koa fa nifandamina ny roa tonta ary dia natsahatra ny raharaham-pitsarana. Mbola tsy voamarina anefa izany, sarotra rahateo ny fahazoana vaovao momba ity tranga ity satria resa-bola, sady tsy vola kely fa efa manodidina ny miliara no resahina. Matetika ny olona no tsy sahy mitory rehefa misy olana eo Ivato satria izany dia miteraka, na fihemoran’ny fiondranana na koa manimba ny drafitra rehetra efa maty paika. Izany anefa dia mainka mandrisika ny kolikoly eo amin’ny seranam-piaramanidina. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nanaiky ny tompon’ny vola raha tsy tonga teny Anosy ny raharaha. Tao izay vao nanome baiko ny mpitsara ny handraisan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana. Raha ny fijery ivelany dia samy misy hadisoana avokoa ny roa tonta. Raha tsy tafavoaka mantsy ny vola satria tsy nahazo alàlana, azo natao tsara ny nandoa hetra dia nahazo taratasy momba izany. Etsy andanin’izay koa anefa, avy aiza ny alàlana mangenja volan’olona toa ity nitranga ity?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser