Agent de Securité civile miisa 2 lahy no maty nianjeran’ny varavarana teo akaikin’ny salon présidentiel teny amin’ny aeroport Ivato ny 22 mars 19 tamin’ny 7 ora hariva. Bip d’Intervention Service (BIS) no orin’asa misy azy ireo izay miasa eny amin’ny Ravinala ao amin’ny aeroport. Razafimamonjy Tiandrazana sy Ramaroson Jean Paul no anaran’izy ireo. Ny ora-mikija narahana rivotra be no nampianjera io varavaram-be nahafaty azy ireo io. Nandre izany ny zandary miasa eny amin’ny aeroport ka niezaka ny hamonjy azy ireo izay efa naratra mafy teo amin’ny lohany. Nentina teny amin’ny infirmerie ao amin’ny BANI izy mirahalahy saingy efa namoy ny ainy tamin’ny fotoanan’ny loza izy ireo hoy ny mpitsabo.
DR