
Nosamborina teo amin’ny seranam-piaramanidina etsy Ivato ireo lehilahy enina. Izy ireo dia mpibata entana sy manao famonosana entana, asa izay tsy manara-dalàna satria efa misy voatokana hisahana izany eny an-toerana. « Maro ireo mpandeha no nitaraina teto amin’ny tambajotran-tserasera ary koa tamin’ny zandary ny amin’ny fisian’ny andian’olona vitsivitsy manao an-tery na mandrahona ny mpandeha vao tonga. Teren’izy ireo ny tsy maintsy hibatan’izy ireo ny entana ary omena vola avy eo. Tsy vitan’izany ihany anefa fa maro ireo entana no simba, ary misy ny zavatra very ao anatiny. Ary dia mbola mangataka vola an-tery ireo andian’olona ireo rehefa tafiditra anaty fiara ny entana. Rehefa omena anefa izy ireo dia tsy mandray raha vao vola kely, fa takiany hatramin’ny vola vahiny. Etsy an-danin’izany dia misy ireo mamono entana amin’ny sisiny. Ifandrombahan’izy ireo ny entan’ny mpandeha ka misy ny simba valizy ary misy ihany mahatsikaritra fahaverezana koa », raha araka ny fanamarihan’ny zandary. Ireo farany dia nametraka fandrika mba nahafahana nisambotra ireo lehilahy enina izay sarona ambodiomby tamin’ny fanaony. Nidoboka am-ponja avokoa izy ireo rehefa natolotra ny fampanoavana. Eny an-toerana dia ireo manao « gilet » ihany no manana alàlana ara-dalàna ny afaka mibata entan’olona.
D.R