
Ny alahady teo izy, raha hiverenana kely, no saron’ny zandary misahana ny fiarovana ny seranam-piaramanidina, nitondra rongony tao anaty entany. «Chanvre Indien » no nentiny ary tamin’ny zotra mankany Gunagzhou no sarona mialoha izany. Nisy nanome vaovao ny zandary ny amin’ny fisian’ity teratany vahiny ity, izay saika hiondrana miaraka amin’ny rongony. Nandrasana teo amin’ny parking izy ary iny tokoa fa tonga nandeha fiarakaretsaka. Niangavy ny mba hisavàna azy avy hatrany ny zandary kanefa nandà izany ilay sinoa ary izy indray aza no mbola nampiasa hery tamin’ireo mpitandro ny filaminana. « Nandositra tao amin’ny biraon’ny pôlisy ilay sinoa ary tsy nety nivoaka tao raha tsy notambatambazin’ireo tompon’ny birao », raha araka ny fanampim-baovaon’ny zandary. Tao anaty entany no nahitàna boaty iray izay voatsentsina rongony. Tsy betsaka ny nentiny saingy efa heloka hatrany izany ary azo raisina ho fanondrànana zava-mahadomelina aza. Indraindray dia mampanontany tena ny fiheveran’ny vahiny ny seranana izay antsika malagasy. Vitan’ny vola hatrany ve ka izay entina dia tafavoaka, sa kosa tsy firaharahiana sy fanambaniana tsotr’izao ? Any aminy anefa dia faran’izay fady ny manao zavatra toy izao.
D.R