- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversIvato-Aéroport : Rangahy nipetraka 19 taona misy manala amin’ny tany

Ivato-Aéroport : Rangahy nipetraka 19 taona misy manala amin’ny tany

Io ilay trano horavaina.
Io ilay trano horavaina.

Trano iray msy rihana no saika nisy nandrava ny talata teo. Andriamatoa Tsima Urbain no nividy ity tany ity tamin’ny alàlan’ny taratasy nifanarahana tamin’ny tompon’ny tany teo aloha , tamin’ny taona 1995 raha mbola tanim-panjakana izy tamin’izany. Fifampitokisana no nitondrana ny raharaha teto ka ny taona 2001 no nanao fototra ity lehilahy ity. Rehefa nandeha ary ny asa dia vita soaman-tsara ny trano ny taona 2003, teo no nanomboka nitaky ny taratasy amin’izay ity nahazo ny tany rehefa nahavita ny trano teo amboniny. Nanome vola izy amin’izany hikarakarana ny taratasy rehetra mba hanaovana sy hamindrana ny taratasy amin’ny anarany. Nanomboka teo ary ny fandrirarirana ka ny taona 2009 dia namidin’ilay tompon’ny teo aloha tamin’ny olon-kafa indray ilay trano ary any daholo ny taratasy rehetra mikasika azy io. Teo vao taitra ilay raim-pianakaviana, izay efa nipetraka teo nandritra ny 19 taona fa misy olona miaraka amin’ny vadintany ka manala azy ireo amin’ilay toerana. Efa eny amin’ny fitsarana moa izao ny raharaha, satria voatana eny ny ramatoa iray vinantovavin’ilay rangahy voalaza anarana etsy ambony, ka efa nanatona ny Ben’ny tanàna tany an-toerana izy ireo , noho izao raharaha izao ary manao antso avo ihany koa amin’ny tompon’andraikitra mahefa hijery akaiky izao raharaha izao no sady matoky ihany koa ny fahendren’ny fitsarana

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser