mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversIvato Aéroport : Volamena 11 kilao saika haondrana tratra

Ivato Aéroport : Volamena 11 kilao saika haondrana tratra

Efa tany anaty fiaramanidina vao nasaina nivoaka ireo mpanao trafika. Sarona teny Ivato eny amin’ny Seranam-piaramnidina indray ny teratany karana roa nikasa hamoaka an-tsokosoko volamena tombanana ho eo amin’ny 11 kilao eo. Nandray ny zotra fiaramanidina ho any Nairobi ireo olona ireo izao tratra izao. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa efa tany anaty fiaramanidina izy ireo no nasaina nivoaka. Tany anaty entana entin-tanana no nasiany ireo volamena ireo, hoy hatrany ny vaovao, izay mifamahofaho be ihany. Ao ny milaza fa iray kilao sy sasany ihany ny vomelana tratra. Eo kosa anefa no niteny hoe 11 kilao. Na izany na tsy izany dia mahavariana ny mpitazana ity trafika iray ity. Efa bebe ihany izay tratra izay tao anatin’ny taona vitsivitsy. Mbola maro foana anefa ny sahy mitondra izany tsy ara-dalàna. Hamboarin’ireo mpanondrana sy lokoina ny voalmena, atao fibatana valizy na fehinkibo, ohatra, dia entina mandeha. Misy ny tratra, misy koa anefa no lasa. Tamin’ny “Dialogue de défense” natao tany Antsirabe tamin’ny alakamisy sy zoma teo no nandrenesana fa mahatratra hatrany amin’ny 250 kilao ka hatramin’ny 300 kilao isan-kerinandro ny volamena mivoaka an-tsokosoko avy eto amintsika alefa any ivelany. Ny olon-tsotra dia mametraka fanontanina hatrany manao hoe : avy aiza avokoa izany volemena be dia be izany no nalaina ? Dia misy ny mamaly fa ny ampahany amin’izany dia avy amin’ireo fandrobana isan-karazany ataoan’ny jiolahy. Voamarika mantsy fa rehefa misy fanafihan-jiolahy, tsy maintsy alain’izy ireny ny firavaka ao amin’ilay olona voatafika. Eo ihany koa anefa ny fitrandrahana ara-dàlana ity zavatra ity. Tsy hay na mandalo any amin’ny tompon’andraikitra na tsia ny voakatra azo avy amin’izany. Dia mbola fanontaniana ihany koa no mipetraka: rehefa misy ny saroana dia alefa aiza?

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser