- Publicité -
mardi, juin 10, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : « Agent de sécurité » nanolana zazavavy roa

Ivato : « Agent de sécurité » nanolana zazavavy roa

Zanak’olo-mirahavavy eny Ivato eny, zazavavy kely roa vao dimy taona monja, no nampiharan’ity mpiambina ity ny habibiana ny herinandro lasa teo. Samy niharan’ny fanolànana izy ireo fa ny iray no tena voa mafy, hoy ny fampitam-baovao avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny heloka mamoafady sy ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona etsy Anosy. Efa nandray ny valin’asany moa ity « agent de sécurité » ity ary miandry ny fotoam-pitsaràna azy any am-ponja. Ny zava-nisy. Ny alin’ny alarobia lasa teo iny dia nifampitadiavana eraky ny tanàna ireto roa vavikely ireto rehefa tsy tafody tao an-tranony toy ny mahazatra. Raha ny vaovao dia mpivarotra ny asan’ireo ray aman-drenin’izy ireo. « Tokony ho tamin’ny 8 ora alina dia lasa nitady ny ray aman-dreniny tany an-tsena izy mirahavavy kely kanjo nifandiso. Nandritra ny fotoana nandehanan’izy mirahavavy tany an-tsena, ireo ray aman-dreniny kosa efa tafody tany an-trano ka tsy nifankahita ». Taitra tamin’izay ireto farany ary teo no nanomboka ny fikarohana azy roa vavy kely ireto teo an-tanàna niaraka tamin’ireo fokonolona. Araka ny voalaza hatrany dia tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nahazo antso ireto ray aman-dreniny, izay mbola nitady azy ireo fatratra teny rehetra teny, fa efa tonga any an-tranon’izy ireo ihany izy roa vavy. Hafaliana ny azy ireo saingy nivadika ho hatairana sy hatezerana tampoka tao anatin’ny fotoana fohy monja rehefa hita fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy ireto zaza no sady malemilemy. Ny iray tamin’ireto ankizy ireto no tena voa mafy indrindra, hoy hatrany ny fanazavàna. Nentiny namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany ary fantatra tamin’izay fa niharan’ny fanolànana tokoa ireto zaza ireto. Nametraka fitoriana ho an’olona tsy fantatra avy hatrany ireo fianakaviana taorian’izay. « Eo anatrehan’ny heloka bevava mihatra amin’ny tsy ampy taona toy izao dia manokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy na misy ny fitoriana na tsia ». Araka izany dia efa nisy ny fikarohana izay nahavanon-doza tamin’ireo zazakely ireto nataon’ireo mpitandro filaminana. Natao ny fanangonam-baovao ka telo lahy manao asa « agent de sécurité » eny an-toerana no nipetrahan’ny ahiahy. Nosamborina avy hatrany izy ireo ary nanaovana famotorana. Taorian’ny fakàna am-bavany azy ireo dia natolotra ny Fampanoavana, ny zoma lasa teo. Fantatra araka izany ary, raha ny vaovao hatrany fa ny iray tamin’izy telolahy ihany no nadoboka am-ponja avy hatrany, fa ireo roa lahy hafa namany, nomena fahafahana vonjimaika, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici