Omaly alakamisy tamin’ny 1 ora, tonga nandroba tao amina « villa » iray eny Ankadindravola Ivato ny andian-jiolahy, tsy fantatra marina ny isany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nitondra basy izy ireo. Nafatotry ry zalahy aloha ny mpiambina ary tsy afaka nanao na inona na inona. Avy eo, niditra amboletra tao an-trano ireo olon-dratsy. Teo anoloan’ny fihetsika mampahatahotra nataon’izy ireo dia tsy nisy sahy nihetsika ny rehetra sady toran-kovitra. Lasan’ireo jiolahy ny vola, telefonina ary izay entana sarobidy maro. Hatramin’izao, tsy fantatra marina izay tetibidin’ny vola very. Raha vao nahazo izany ireo bandy dia lasa nandeha. Soa ihany, hoy ny voavao, fa tsy nisy ny naratra tao amin’ny tompon’ny trano. Toa nisy nahita izany fandrobana izany ihany ny manodidina, saingy tsy nisy sahy nivoaka noho ny tahotra. Amin’izao fotoana izao mantsy, tsy azo atao intsony izany mivoaka izany. Santionany ilay nahafaty olona teny amin’ny faritra Atsimondrano. Lehilahy iray no saika hanavotra mpianaka voatafika tamin’izay. Izy indray no niharan’ny daroka sy vono isan-karazany ary farany namoy ny ainy rehefa notsaboina andro vitsy teny amin’ny hopitaly.
Ny vaovao nomen’ny manodidina hatrany no ilazana fa teo amin’ny enina na fito teo ireo mpangalatra ireo. Nisy kosa nanefa ireo sahy nampandre ny mpitandro filaminana. Taoriana kely vao tonga ireto farany, saingy tsy nahatratra mpangalatra intsony.
r.s.